ActualitésTatitra

Etats-Unis : Olona telo indray no matin’ny fifampitifirana

Nisehoana fifampitifirana indray tao amin’ny Campus Lansing, ao andrefan’i Detroit, Michigan ny alatsinainy teo. Olona telo no maty vokatr’izany ary dimy kosa no naratra. Lehilahy iray no fantatra fa nitarika io fifampitifirana io, manodidina ny 8 ora alina izy no fantatra fa nitifitra atao anaty toeram-pianarana iray ary niampitampita tamin’ireo toeram-pianarana hafa.

Raha ny fanazavan’ny lehiben’ny polisy ao amin’ny campus, Chris Rozman kosa dia mety mbola hiakatra io isan’ny namoy ny ainy io noho ny fiahihiana ny amin’ny ain’ireo naratra hafa. Tafatsoaka kosa ilay lehilahy nahavanon-doza. Raha ny tatitry ny manam-pahefana dia lehilahy amerikanina mainty hoditra, fohy, nanao kasikety baseball, nanao ambonin’akanjo jeans ary kiraro mety ity farany.

Laisser un commentaire