ActualitésTatitra

République Démocratique du Congo : « Bonobo », ny firaisana ara-nofo no hamahana ny olana rehetra

Karazana « primates » avy amin’ny fianakavian’ny « hominidés » ny bonobo na koa « champanzé nain », na « chimpanzé pygmée ». Omena ny anarana siantifika hoe » an paniscus » ihany koa izy. Karazana biby hita ao amin’ny République Démocratique du Congo izy io. Nalaina tamin’ny anaran’ny tanàn’i Bolobo ao amin’ny moron’ny reniranon’i Congo ny anarany izay toerana nahitana azy voalohany tany amin’ny taona 1920.

Eo amin’ny faha 13 sy 15 taona eo ny Bonobo no miditra amin’ny firaisana ara-nofo. Tsy manana tanjona hamokatra firy izy ireo rehefa manatanteraka izany. Raha ny fanazavan’ireo manam-pahaizana dia famahan’ireo biby ireo fifandiranana kokoa ny firaisana ara-nofo ary fandrindrana ny ara-tsosilainy. Telo ampahefatry ny Bonobo dia miray noho izany antony izany.

Anisan’ny tena mampiavaka io biby io ny maha « bisexuel » azy izany hoe miaraka amin’ny kazarana mitovy sy tsy mitovy fananahana aminy. Nanazava ireo siantifika fa ny ankahamaroan’ny bonobo dia tahaka izany avokoa.

Laisser un commentaire