ActualitésTsidika

By-Pass : Misokatra ny varavaran’ny biraon’ny fananan-tany

Misy ny varavarana misokatra ho an’ny rehetra mikasika ny fanaovana titra faobe ny tany eny By-Pass Alasora, anio 05 Aogositra. Ao amin’ny Birao iombonan’ny fananan-tany sy ny fandresefesan-tany manerana ny Nosy no hanatanterahana izany.

« Tsara foana raha manatona ny sampandraharahan’ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany raha misy ny tiana ho fantatra. Vonona hihaino anareo tsara izahay » hoy ny tompon’andraikitra. « Tsara mihitsy ny fisian’izao varavarana misokatra ho an’ny fanoratana ny tany izao. Mbola betsaka mantsy ny tsy mahalala ny lalàna mikasika ny fananan-tany akory » hoy i Sylvie, mponina ao Alasora.

Miteraka korontana sy ady indrindra eo amin’ny mpihavana tokoa izany ady tany izany. Tsara foana ny manaraka ny lalàna, ahafahana miaro antsika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire