Ankadikely Ilafy : Nisitraka tsena mora indray ny Fokontany Ankadikely
Notanterahina tao amin’ny Fokontany Ankadikely indray ny tsena mora ny 26 aprily teo. Teny amin’ny kianja Fifankatiavana no nanaovana ny hetsika.
« Nilamina tsara ny fizotran’ny fitsinjarana ny tsena mora. Voatazona hatrany ireo fihetsika ara-pahasalamana indrindra ny fanaovana arotava. Mitohy hatrany ny hetsika eto amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Jifaina 1000 Ariary ny iray kilao amin’ny vary, ary ferana 5 kilao isan-tokantrano. Manara-maso ny fangaraharahan’ny varotra hatrany izahay avy ato amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministera.
Efa saika nitety Fokontany maro teto Ankadikely Ilafy ity Tsena Mora ity. Tsy vitsy ireo olona tonga amin’izany, ary mahita ny maha-zava-dehibe azy.
Nicole Rafalimananjara
