ActualitésTsidika

Sahasinaka Fianarantsoa : Zaza 11 volana maty nihinana veoveo

Tsy voalohany no nisy olona matin’ny fihinanana veoveo tamin’ity volana ity. Raha tsiahivina dia olona 5 no matin’izany tao Mahasoa, fokontany Tanambao, distrikan’i Manakara. Fantatra indray fa zazakely 11 volana ny matin’izany ny alatsinainy teo tamin’ny 03 ora sy sasany teo. Tany amin’ny hopitaly Sahasinaka Fianarantsoa no nialan’ireo ray aman-dreniny nenina nitsaboana azy.Ny alahady izy no nihinanany io voankazo mampidi-doza io raha ny fantatra.

Laisser un commentaire