Sabotsy Namehana : Misy ny didim-poitra faobe
Tanterahina ao Sabotsy Namehana ny 27 aprily hatramin’ny 29 aprily ny didim-poitra faobe maimaimpoana. Ny kaominina sy ny fikambanana Avotraina ary ny mpikitra no mikarakara ity hetsika hanampiana ny mponina ity.
« Efa miha sarotra ny fiainana. Manomboka manahirana ny mponina ny manatanteraka ny famoran-jaza noho izy mila vola. Izany indrindra no nikarakaranay ity hetsika faobe ity ho fanampiana azy ireo » hoy i ny avy ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana. « Manomboka amin’ny 4 ora hariva ny hetsika ao amin’ny CSBII Sabotsy Namehana. Tsara raha manaraka hatrany ireo fandaminana apetraka eny an-toerana isika, eo ihany koa ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana » hoy i Andriamosa Avotraina, sady ben’ny tanàna ao an-toerana no mpitarika ny fikambanana Avotraina.
Efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka tokoa isika izao, izay fotoana hanatanterahana ny diidm-poitrra. Fomba malagasy iray tsy maintsy atao amin’ny zazalahikely izy ity mba ho tena lehilahy tokoa izy. Saingy ny ho enti-manana no tsy ampy ary izany indrindra no hanararaotana ny hetsika foibe tahaka izao.
Nicole Rafalimananjara
