ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny atrikasa niresahana ny « tambazotra fiarovana ny ankizy »

Notontosaina tamin’ny herinandro ity ny atrikasa mahakasika ny « tambazotra fiarovana ny ankizy » tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Niara-niombon’antoka tamin’ny kaominina tamin’ny fanatanterahana izany ny avy amin’ny ministeran’ny mponina sy ny firaisan-kina.

« Tanjona ao anatin’izao hatrik’asa izao ny hanamafy sy hanatsara ity tambazotra ity mba hahafahana miaro ireo ankizy amin’ny karazana herisetra maro izay mitaky ny fandraisana andraikitry ny tsirairay amin’ireo antanatohatra isantsokajiny sy ny ambaratongam-pahefana ary ny fampiharana ireo lalàna mifanandrify indrindra amin’izany » hoy ny avy amin’ny kaominina.

« Mbola maro ny herisetra mianjady amin’ny ankizy eny amin’ny sehatra samy hafa eny amin’ny fiaraha-monina. Maro ny tsy mahafantra ilay atao hoe herisetra kanefa hiainan’ny zaza malagasy izany, ankoatra ny tsy fanajana ny zon’izy ireny. Tokony hampahafantarina izany ary omena sehatra mihitsy ny fikambanana mba hanoro sy hampahafantatra izany » hoy i Dina, mpilatsaka an-tsitra-po amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy.

Tsy ny kapoka na ny fanolanana ihany no atao hoe herisetra. Misy karazany maro ny herisetra miseho amin’ny endriny isan-karazany, misy ny herisetra ara-batana, misy ihany koa ny herisetra ara-tsaina. Mbola maro anefa no tsy mahafantatra izany ka anisan’ny mampitombo ny tahan’ny zaza iharan’ny herisetra eto amintsika.

Laisser un commentaire