PolitiqueTsidika

Haino aman-jery : Nohatsaraina ny Kalitaon’ny fahitalavi-panjakana ao Toamasina

Niova nanomboka omaly ny kalitaon’ny tolotra omen’ny fahitalavi-panjakana ao Toamasina, faritra Atsinanana. Nasiam-panatsarana avokoa na ny ety ivelany, na ny tolotra amin’ny famokarana vaovao sy ny fandaharana samihafa.

« Nisy ny fanavaozana natao teto amin’ny Television Malagasy teto Toamasina. Izany dia vokatry ny fanavaozana sy ny fampitaovana nomen’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina » hoy ny tompon’andraikitra. « Hisongadina amin’ny fiovana ny fihatsaran’ny sary ho ara-kajimirindra, manaraka ny fenitra. Miezaka makany amin’ny fandrosoana isika » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Tsiahivina fa ny taona 2011 no nisy fanavaozana farany natao tamin’ny  »studio » an’ny TVM ao Toamasina. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire