Ny fomba nahazahoan’i Imboasalama ny fanjakana
Andrianampoinimerina dia narindran’ny raibeny (Andriambelomasina) ho Mpanjaka aorinan’Andrianjafinandriamanitra zanany. I Ramboasalamatsimarofy Ilaifotsy zafiny dia zanaky ny vavy. Fony vao teraka Andrianjafy dia ny soratra masina (sikidy) no nanazava hoe « Tsy mba hahazo ny navelandrazany io zaza io », ary fony teraka Ramboasalama dia Tsinana ny Alahamady, dia tahaka an’i Ralambo sy Andriamasinavalona ny vintany.Nanafatra Andriambelomasina : « Ramboasalama no atao handimby ny anadahin-dreniny (Andrianjafy izany) satria ny farany an-dRaboasalama ». Rehefa niamboho Andriambelomasina dia nikabary didy Andrianjafy « Izaho no Andriamanjaka, tsy hisambo-balala ho anjanak’olona aho, fa ny zanako Ralaitokanimerina no handova ny fanjakako. Ahy irery izany ary didimpanjakana ».Efa eny andalana hitsoaka hody any aminy any Ikaloy Ramboasalama no nosakanan’ireo manampanahy ary nifanao velirano rehefa avy nisorona Ondrilahy « Na dia hietry aza ny lanitra, na hisondrotra ny tany. Matesa izay ho faty, vereza izay ho very, vaky izay ho vaky; raha ny hafatr’dadabe Andriambelomasina no hovaina. Imboasalama no Andriamanjaka ». Namaly Ramboasalama « ha ha ha! Olona 40 no hampanjaka ahy ? Hifanehitra amin’ny Avaradrano iray manontolo ? » Ny valiny dia hoe : « Andeha aterinay ialahy fa aza matahotra foana ». Ramboasalamatsimarofy Ilaifotsinandriambelomasina no nasandratra ho Andrianampoinimerina Mpanjaka teo Ambohimanga rehefa notafiana jaky notenomin’ireo Fonohasina avy eny Ambohitrabiby. Niasa ireo manampanahy vatonamelankafatr’i Andriambelomasina. 12 lahy no Loholona Tsimahafotsy sy Mandiavato lehiben’ny manampanahy dia i Ratendromboahangy (mpanandro), Rabefiraisana, Rabefanonta, Andriandahimavo, Andriambolaina, Andriambako, Andriantsandra, Ralofika, Rabevanga, Itsiangala, Rabetsisahanina, Andrianjarakely sy Andriamiandra. Efa nanomboka tamin’izany no nisy ny fanonganam-panjakana ary saika namoizana ain’olona maro aza tao ny zaza amam-behivavy.
Nicole Rafalimananjara
