Mitohy hatrany asa fanadiovana ny tànanan’Antananarivo
Nambaran’ny ben’ny tànana Andriatsitohaina Naina tamin’ny fomba ofisialy, nandritra ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny trano fonenana, ny fanombohan’ny asa fanatsarana sy fampandraisana anjara ho an’ireo mponina eny ambany tanàna. Fokontany miisa efatra no voakasiky ny asa : ny fokontany Andavamamba anatihaza, Manaritsoa Afovoany, Manarintsoa Antsinana ary Manarintsoa Anatihazo.Fiaraha-miasan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy ny firenena mikambana no nahafahana manoa izao fanadiovana ny tànana izao. Fanadiovana ireo tatatra sy ireo lalankely ary ny faritra manodidina ny toeram-ponenan’ireo mponina no voakasik’izany tetikasa izany. Matetika isian’ny fanadiovana iny faritra iny, izay vao tsy ela akory no nisian’ny tetika « Himo » izay notanterahina ny volana septamnbra lasa teo ny farany tamin’izany. Faritra anisan’ny misedra olana mandritra ny fahavaratra ny faritra iva manoloana ireo fako sy loto izay manetsina ny tatatra tokony hivarinan’ny rano. Tsy tongatonga ho azy anefa izany fako izany fa noho ny tsy fitandreman’ny mponina manodidina ihany. « Fampianarana miainga avy any ifotony mihitsy no tokony atao mahakasika ny fahadiovana, any am-pianarana no fanamafisana izany, ekena hoe izay no anjara asa saingy ilàna fanajana ihany ireo mpiasa » hoy i Nirina, filoha lefitry ny RF2. »Mateti-pihavy loatra ilay fanadiovana hany ka manelingalina ny asanay, tsy maintsy mitsahatra amin’ny asa mantsy izahay mandritra ny fanadiovana satri eo alohan’ny tsena izao hivarotanay no misy ny tatatra » hoy i Dennis, mpivarotra hani-masaka. « Na dia efa misy aza ireo daba-pako manerana ny lalan-kely rehetra eto amin’ny fokontany dia misy foana ireo olona manary ny fakony eny an-dalana sy anaty tatatra. Hiroso amin’ny fanentanana isaky ny sehatra misy eto amin’ny fokontany izahay hisorohana ny mety ho voka-dratsin’izany amin’ny fahavaratra » hoy i Hery, tompon’andraikitra eo amin’ny fokotany.Ny toe-tsain’ireo mponina no mila fanovana lehibe, ilaina ny fampianarana azy ireny mahakasika ny fanajana ny fahadiovan’ny tontolo iainana. Hafa ihany ny monina amin’ny toerana madio sy milamina koa izany indrindra no itakiana ny fampiarana, indrindra ireo zaza madinika tsy hanary fako eny an-dalana. Singa iray hamantarana ny fandrosoana misy eo amin’ny firenena ny fahadiovan’ny tanana sy ny filaminana ao aminy. Anisan’ny miantoka betsaka amin’ny fanànana fahasalamana mirindra ny fahadiovan’ny toeram-ponenana sy ny manodidina azy. Fahalalam-pomba izay maneho ny maha olom-banona anao ny fanajana ny fahadiovan’ny tontolo manodidina.
Haingotiana Andriamihaja
