Anosy Avaratra : Nanolotra pupitre ho an’ny kaominina ireo mpanolo-tsaina teo aloha
Mpanolo-tsaina dimy niasa teo aloha tao amin’ny kaominina Anosy Avaratra no nanolotra fitaovana « pupitre » ho an’ny kaominina ny talata lasa teo. Fitaovana efa nomanin’izy ireo ho atao fanomezana ho an’ny kaominina hatramin’izay izy ity, ka nandray izany ny ben’ny tanàna ao an-toerana sy ireo mpanolo-tsaina am-perinasa ankehitriny.
« Anisan’ny fisaorana entina mamarana ny asa tao anivon’ny kaominina ny fanolorana ny fanomezana ho an’ny kaominina, izay hisaorana an’andriamatoa ben’ny tanàna tamin’ny fiaraha-miasa nisy hatramin’izay ary mirary ny fitohizan’ny ezaka entina am-pandrosoana ny kaominina » hoy ny solo-tenan’ireo mpanolo-tsaina teo aloha. « Ny mpiasa eo anivon’ny kaominina dia maneho firaisan-kina hatrany amin’ny alalan’ny fiombonana sy ny fiarahana mba ho fitaratra ho an’ny mponina, fa indrindra entina hampandrosoana ny kaominina Anosy Avaratra ».
Ny mponina ao anatin’ny kaominina Anosy Avaratra moa tsy mitsahatra ny manentana zava-baovao amin’ny asa sosialy sy fanatsarana ny kaominina ataon’ireo tomponandraikitra, indrindra amin’izao fametrahana mpanolo-tsaina vaovao izao, mba hita taratra eny ifotony ny fampandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
