Mifamaofao ny resaka fihinanana kiraro any Atsimo
« Tsy mihinana hoditra kiraro ny mponina na kere aza » izany no teny nentin’ny governoran’ny faritra Androy i Lahimaro Soja teo Anosy. Niaiky izy fa tena kere any amin’ny faritra saingy tsy marina kosa ilay vaovao niely faramparany teo iny, namafisiny fa tsy misy tombony amin’ny fanjakana ny fanafenana ny zava-misy marina any an-toerana. « Olona efa fadiranovana ve mbola hahavidy rano handrahoana hoditra kiraro. Ohatrinona ny kitay amin’izany ary koa ny vilany ? Fihantsiana tsotra izao izany » hoy ny teniny.
Raha tsiahiviny mantsy dia tovovavy mpanao gazety iray antsoina hoe Gaëlle Borgia no nanodina horonan-tsary fanadihadiana mahakasika ny kere tany atsimo ka nanaparitaka io tsaho io fa mihinana hoditra kapa ireo mponina any an-toerana. Efa nijoro vavolombelona moa ireo mponina ireo fa noterena ny hanatanteraka io horonan-tsary io. Efa manomboka kosa ny tetikasa famahana io olana kere io hoy hatrany ny governora.
Hasina Rasamimanana
