Fomba sy kolontsaina : Manana ny heviny manokana ny loko eo amin’ny Malagasy
Fatra-panajana ny tontolo sy ny zava-boahary manodidina azy ny Malagasy. Nisy dikany, ary nifandray taminy avokoa, ireny rehetra ireny. Nisy ihany ihany ny hery vohizin’ireny tontolo ireny, ary nandala izany ny Malagasy ka misy akony mandrak’ankehitriny eto amintsika. Raha mahakasika ny loko manokana, maro ireo fomba fiteny nentin’ny ntaolo nampahafantatra izany, ohatra ny loko fotsy, izay matetika entina ilazana zavatra na toetra, ratsy na tsy misy.
Fomba fiteny entina hilazan-jazavatra ratsy na tsy misy ny fotsy teo amin’ny Malagasy. Ohatra ny hoe « fotsy varavarana », entina hilazana ireo tsy mpody an-trano. « Fotsy feo », entina hilazana ireo olona ratsy feo na tsy misy feo rehefa mihira na maneho ny kanto am-bava. Eo ihany koa ny hoe « mandry fotsy », entina ilazana ireo tsy misy hoanina na atokona noho ny fahasahiranana.
Ankoatra izay anefa, midika tsy manan-tsiny ny loko fotsy teo amin’ny Malagasy, ary mariky ny fahadiovana.
Ny loko matroka na maizina, toa ny mainty na maramara, no tsy tsara hanaovana teo amin’ny Malagasy. Voalaza ho misintona hery ratsy ary mampikombokombona ireo loko matroka ka mahatonga hery na vintana ratsy.
Ny loko mena no anisan’ny loko manana ny lanjany sy ny heriny teo amin’ny Malagasy. Mariky ny fiandrianana sy firedaredana izy io. Ireo mpisorona sy ny andriana no tena nampiasa azy.
Mbola maro ireo loko manana ny dikany, entina milaza toetra teo amin’ny malagasy. Tsara marihina,fa ny olon-drehetra dia samy manana ny loko manambina azy, ary mifanaraka amin’ny tononandrony izany, izay tsara ihany ny hahafantarana izany.
Manitra Ramanantsoa
