SocialTsidika

Antatatra : Zazalahikely iray no maty noho ny famonoana Androngo

Nitrangàna tranga hafahafa sady nampalahelo tao Antatatra, kaominina Anahidrano, distrikan’ Antsohihy, satria dia zazalahikely vao 5 taona monja no namoy ny ainy noho ny filalaovana sy famonoana Androngo iray. »Nandeha nilalao niaraka tamin’ny namany no nivoahan’ity zazalahikely iray ny trano fa rehefa teny an-dalana izy ireo dia nilaza fa nahita biby atao hoe androngovato izany hoe mitovitovy amin’ny tarondro sy tanalahy ihany ilay izy fa ngeza be fotsiny, nodarohiny ilay biby ary tsy namelany raha tsy noheveriny hoe maty, ary lasa izy ireo nody » hoy ny fitantaran’i Solo, mpiasan’ny fokontany ao an-toerana. »Noho ny tonga taty an-trano dia nitaraina naharary ilay zaza ny alina ary tsy nahita tory izy ka niasa saina izahay Ray aman-dReny, rehefa naontaniana anefa izy dia tsy nety nilaza n’inonaninona, hafahafa anefa ny fisehon’ny aretina ary ny apitso alin’iny dia nody mandry ilay zaza, ka ireo ankizy namany mpiray vodirindrina aminay no nitantara ny zava-nisy » Hoy i lisy fianakaviana iray trano amin’ilay zaza maty. »Tsy kilalao ny biby fa zava-manan’aina mitovy amin-tsika ihany izy ireny ary mahatsapa maharary, mety tsy afaka ny hiaro tena izy ireny raha iharan’ny herisetra fa kosa tsy midika hanararaotana izany, ny hiaro ny tontolo iainana aza no tokony hatao fa tsy hamono, ary ilaina tadidiana foana fa harem-pirenena koa izy ireny ka mamotika harem-pirenena raha mamono azy ireny. Ny zaza mety tsy hahalala fa hihevitra hoe zaza fa ny Ray aman-dReny tokony hanoro sy hampianatra azy ireny mba hitsinjo sy tsy hanimba ny tontolo iainana sy ny natiora, antoka ho an’ny ho avy sy ny fahasalamàna ihany koa ny fitsinjovana azy ireny » hoy i Nasandratra, mpiasa amin’ny ONG iray mpiaro ny tontolo iainana.Na tsy mianatra aza fa milalao dia ilaina foana ny fanaraha-maso ireny ankizy ireny mba tsy ahitan-doza, indrindra fa hoe mbola kely izy, ka matetika tsy mbola mahalala zavatra maro dia miankina amin’ny Ray aman-dReny ihany ny fanabeazana azy ireny mba tsy hanaonao foana.Mahery setra sy tia andrakandrana ny ankizikely amin’izao ary ny zavatra handrarana azy tsy ho ataony mihitsy matetika no sedrainy, toy ny tranga vao tsy ela ka namoizana ain-jaza roa tao Sambava, raha hiverenana kely ny tantara dia nilalao teo amin’ny lava-drano iray izy ireo ary nilatsaka tao anatiny avy eo ka efa elaela vao hitan’ny ray aman-dreniny. Mila manara-maso foana ireny ankizy ireny arak’izany ianareo Ray aman-dReny mba tsy ahitan-doza.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire