SocialTsidika

Maminavina ny hampiakatra hatramin’ny 400 isa isan-taona ireo mpiara-miasa aminy ny Intelcia

Efa maro ireo orinasa mijoro eto Madagasikara amin’izao fotoana no misehatra ao anatin’ny fifaneraserana amin’ny any ivelany na ilay adika hoe « outsourcing ». Miha-mirona mankany ihany koa ny ankamaroan’ny fahalinan’ireo tanora ankehitriny noho ny fahasarotan’ny fitadiavana asa fa eo ihany koa ny tsy fisian’izany asa izany mihitsy. Iray amin’ny orinasa misehatra amin’ireny ny Intelcia izay orinasa nanomboka nanana ny toerana teo amin’ny resaka « outsourcing » nanomboka ny taona 2020 raha ny teto Madagasikara manokana. Amin’izao fanakalazany ny faha-20 taonany izao, mikasa ny hiparitaka sy hivelatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Intelcia. Ho an’ny eto Madagasikara manokana izao, maminavina ny hampiakatra ireo mpiara-miasa aminy ho 400 isan-taona ny ao amin’ny Intelcia. Hoy ny nambaran’i Youseff El Aoufr, tale jeneralin’ny Intelcia : « tafiditra ao anatin’ireo fikambanana voalohany amin’ny tsena francophone i Madagasikara sy ny nosy Maurice, ahafahana manao tolotra maro isan-karazany izany na amin’ny resaka ara-toekarena aza ho an’ireo mpanaraka sy mpanjifa ny Intelcia ».

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire