ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Manome sehatra ho an’ny fanofanana manao tao-zavatra

Sehatra iray anisan’ny vitsy mpahalala sy vitsy mpanao ny sehatry ny asa tanana eto amintsika. Azo atao tsara anefa ny misehetra sy mivelona amin’izany sehatra izany, sady manome lanja ny asa tanana sy ny vita malagasy. Anisan’ny manome lanja izany ny seha-panofanana iray ao Ambohimangakely.

« Efa misokatra, ary manomboka, ny fiofanana amin’izao fotoana izao ato amin’ny CFPF eto Ambohimangakely, izay fiofanana mahakasika ny crochet en raphia. Hianarana avokoa ireo point rehetra ao anatin’izany. Mirary dia mirary ihany koa ny saram-piofanana » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny ivon-toerana.

« Anisan’ny mampivoatra ary mahatonga ny saina ho tia karokaroka ny sehatra tahaka izao. Ao anatin’izany afaka mamoaka ny aingam-panahy tianao avoaka ary manatanetraka izay eritreretin’ny saina » hoy i Nekena, mpanao crochet.

Natao ho an’ny olon-drehetra ny fiofanana sy ny fahaiza-manao amin’ny asa tanana. Marihina anefa fa misy ihany koa ireo mahay manao asa-tanana avy amin’ny lova sy ny fahaiza-manao mikoriana ao anaty avy amin’ny ra tany amin’ireo razambe.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire