ActualitésTatitra

Etats-Unis : Olona maro no maty nohon’ny fifampitifirana tao amin’ny tranom-barotra iray tao Virginie

Mitohitohy ny tranga fifampitifirana mahafaty olona ao Etats-Unis. Lehilahy iray no nahafaty olona tsy latsakin’ny folo nohon’ny tifitra basy nataony tao amin’ny tranom-barotra Walmart iray tao Chesapeake ao Virginie. Mbola maro ireo olona niaram-boina nandritra io tranga io tsy mbola fanta-piaviana hoy ny mpitondra tenin’ny polisin’i Chesapeake, Leo Konsinski. Heverina ihany koa fa mbola misy olona miafina ao amin’ny tranom-barotra hoy izy.

Namoy ny ainy nandritra io fampitifirana io ilay lehilahy nitarika ny fifampitifirana. Tsy namono azy nefa ny manam-pahefana fa heverina fa namono tena izy hoy i Leo Konsinski. Maro kosa ireo milaza fa mpiasan’ilay tranom-barotra ihany io lehilahy nahavanon-doza io.

Laisser un commentaire