SocialTsidika

Simba tanteraka ny razana vao hita noho ny ady teo amin’izy mivady tany Talata Volonondry

Antsirabe Vakinankaratra anefa izy rehefa nitsoaka avy any Talata Volonondry Antananarivo ny 08 Aogositra 2021. Volana maromaro izay no namonoan’ilay rangahy ny vadiny vokatry ny tsy fifankahazoana teo amin’ny roa tonta tany Avaratsena kaominina Talata Volonondry.

Nidiany tao an-trano ilay ramatoa nony fantany fa tsy nisy aina intsony ary nitsoaka ilay nahavono azy. Telo volana taty aoriana vao hita ny razana saingy efa nivoaka olitra tanteraka sy namoaka fofona. Telo volana taty aoriana ihany raha nihevitra ny tsy ho hita mihitsy ilay rangahy rehefa avy namono olona dia voasambotra tany Antsirabe Vakinakaratra ny 8 aogositra lasa teo. Olona tsara sitra-po no nahita azy teo an-tsena Sabotsy ka niantso ny komandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Antsirabe satria nalefa ny filazana fitadiavana. Nidina haingana teny ny zandary telolahy rehefa avy nohamarinina an-telefaonina tamin’ny komandin’ny brigady Ambohimanga Rova ny fisian’ilay vono olona.

« Nahazo antso izahay fa aty ilay olona karohina fatratra fa nahafaty ny vadiny dia niantso ny tany ifotony aloha » hoy ny Zandarimaria Antsirabe. « Tsy hay loatra izay olana fa aleo ilay vadiny no hanazava azy » hoy ny fianakvian’ny maty. Niaiky tanteraka ny heloka bevava nataony rahateo ity vadiny ka nilaza hoe : « Ampidino ato anaty fiara aho rasefo, tonga tifiro fa nahavita heloka bevava a », hoy ny fiangavian’ilay rangahy raha vantany vao voasambotra izy na tsy nolazaina azy akory aza ny antony isamborana azy. Hita fa feno nenina tokoa ity farany.

Vely maritoa in-telo teo amin’ny lohany, no namonoany ity vadiny ity araka ny fiaiken-keloka nataony, satria nolazainy fa tratrany mampirafy matetika ravehivavy. Ahitan-doza ny tsy fahaizana mifehy ny fihetseham-po manoloana ny fifamalian’ny mpivady, efa betsaka ny tranga tahaka izao. Tsy misy hafa tsy ny fifampiresahana mazava ihany no fanafodiny na tahaka ny inona aza ny hatezerana.

 Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire