SocialTsidika

Fampiroboroboana ny sehapihariana tantely ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony

Tafapetraka ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.ny saha sekoly miisa 42 miompana amin’ny fiompiana tantely.

Fandaharan’asa izay iarahan’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana sy ny fandaharanasa « développement des filières agricoles inclusives » (DEFIS) izay vatsian’ny « Fonds international de développement agricole » (FIDA) vola sy ny (Organisation Paysanne Régionale) OPR Soatantely izay fivondronan’ny mpiompy tantely ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony. Ao anatin’ny distrika 5 no misy izany saha sekoly izany ka ny distrikan’i Ambohimahasoa, Lalangina, Isandra, Vohibato ary Ambalavao izay miompana amin’ny fitadiavana lalam-barotra sy ny fampitaovana ny mpiompy tantely.

Faly ny mpiompy nisitraka ny fandaharanasa raha ny filazan’i Patrick izay isan’ireo mpiompy tantely ary nampiany fa ny fahazoahana ny fitaovana ahafan’izy ireo manatsara ny vokatra dia tena ilainy tokoa. Ny avy ao amin’ny fandaharanasa kosa dia nanambara fa efa nisy kaominina nahazo fampitaovana maro tahaka ny extracteur, tonneau lait, cire gauffrée, enfumoir, rétractomètre izay ahafan’ny mpiompy mitaratra ny rano anaty tantely, « sucre glacé » iadiana amin’ny varoazy sy ireo fitaovana kojakoja maro isan-karazany, ny kaominina Ankarinarivo moa no efa nisitra izany. Ny OPR Soatantely koa dia nilaza fa efa 48 ny mpikambana ao amin’ny saha sekoly Ankarinarivo izay ahitana mpiompy lahy sy vavy ka mamokatra tantely hatramin’ny 300 kg isan-taona amin’ny tohon-tantely 60 ny fikambanana ary ny 40 amin’ireo avy amin’ny FIDA avokoa.

Anatin’ny fanatsarana ny fiompiana sy fambolena tanteraka ny minisitera mpiahy izanyankehitrinyary manohana tanteraaka ireio mpiompy amin’nyalalan’ny fandaharanasa tahaka itony. Irariana hatrany ny hitohizan’izany asa fanampiana ny olona mpisehatra any ifotony eo amin’ny fiompiana izany.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire