ActualitésTsidika

BTC: Hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso ny SSMAF

Rahampitso 15 jolay 2023 no hanomboka amin’ny fomba ofisialy, eny amin’ny BTC Ambohimangakely ny hetsika SSMAF andiany fahatelo. Haharitra telo volana ity hetsika ity ary seho ara-kolontsaina maro sy ara-panatanjahan-tena ao anaty fifaninanana no hiseho mandritra izany, araka ny voalaza.

 » Efa vonona avokoa ny ekipa rehetra eo amin’ny lafin’ny fanomanana ety amin’ny BTC. Araka ny fandaminana sy ny fandaharam-potoana napetraka dia hisesy ho hita an-toerana avokoa ireo fifaninana ara-panatanjahan-tena isan-karazany, ataon’ireo mpanatalenta. Mbola mitohy ihany koa ny fandraisana anarana ao anatin’izany » hoy i Hasina, mpikarakara ny SSMAF.

« Ho an’ny rahampitso dia efa hisy sahady ny fampisehoana talenta amin’ny taranja Parkour, bike ary ny . Tsiahivina fa ny SSMAF dia sady fitrandrahana talenta no fifaninana ihany koa. Efa maro ireo mpandray teo aloha no lasa lavitra eo amin’ny taranja ataony » hoy hatrany ny fanazavana.

Marihina moa, fa na ny tanora na ny ankizy na ny efa olon-dehibe dia afaka mandray anjara amin’ireo fifaninana rehetra mandritra ny SSMAF.

Manitra R.

Laisser un commentaire