ActualitésTatitra

Finlande : Hamakivaky ny ranomasina manomboka ny taona ho avy izao ny « Icon of the seas »

Sambo lehibe indrindra eran-tany ny « Icon of the seas ». Sambon’ny orinasa Royal Caribbean Cruise Line izy ary natsangana tao Meyer Turku ao Finlande nanomboka ny taona 2021. Ny 27 Janoary 2024 kosa io sambo io no fantatra fa hanao ny diany voalohany.

Raha ny fanazavana dia mazaka mpandeha 7 000 isa, mpiampy mpiasa 2350 isa ny « Icon of the Seas». Maro kosa ny fialamboly handrafitra izany toy ny « parc aquatique, mur d’escalade, patinoire, mini-golf, casino… ». Ahitana teatra ihany koa ny sambo, toeram-pisakafoana manodidina ny efapolo, toeram-pisotrosotroana, SPA…

Mirefy 365 metatra ny halavan’ny « Icon of the seas » ary misy efitra (cabine) 2 085 isa. Raha ny tatitry ny Royal Caribbean International kosa dia efa feno ny famandrian-toerana amin’ny dia voalohany ho ataon’io sambo io.

Laisser un commentaire