République démocratique du Congo : Zaza varira iray no hita faty
Raha nanginina ny fangalarana varira eto Madagasikara dia tao République démocratique du Congo indray no lasibatr’izany. Zaza varira iray, 5 taona no hita faty tao amin’ny faritanin’ny Kivu atsimo ny fiandoahn’ny volana febroary teo. Raha ny tatitra dia novonoina noho ny fombafomba amam-panao na « pratiques occultes » io zaza io.
Ny alin’ny talata lasa teo no nalain’ny jiolahy nitam-piadiana an-keriny noho ny antony tsy fantatra io zaza varira io raha ny fanazavan’ny mpitantana mpanampy ao amin’ny faritr’i Kalehe, Archimède Barhebwa. Notapahan-doha io zaza io ary tsy hita niaraka tamin’ny ambin’ny fatiny izany sy ny tongony nandritra ny fotoana nahitana ny razana.
Efa nanomboka ny taona 2009 io famonoana varira tao République démocratique du Congo io. Varira 18 isa no maty noho izany fombafomba amam-panao izany raha ny tatitr’i Juvénal Lushule, mpandrindra ny Apia izay fikambanan’ny varira ao amin’ny faritany.
