Fanabeazana : Mbola ambany ny fari-pahaizan’ny zaza Malagasy
Na dia efa maro aza ny fomba fiady sy ny programa sy ny fomba fampianarana ovaina hatrany dia mbola ambany foana ny tahan’ny fari-pahaizan’ny zaza Malagasy raha ny nambaran’ny Banque Mondiale.
« Sekoly manodidina ny 1 000 no nanaovana ny fanadihadiana. Mbola mahantra ara-pahaizana ny Malagasy satria mampalahelo raha ny vokatra azo. Eo ho eo amin’ny 96% amin’ny mpianatra no tsy mahay mamaky teny sy mahazo ny lahatsoratra voatokana amin’ny taonany sy ny kilasy misy azy. Mbola ngeza ny ezaka ary tena mbola mivelatra be izany ezaka izany fa tsy ny mpianatra irerny ihany no mahazo tsiny », hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny Banque Mondiale.
« Matetika dioa ny mpanabe hatrany no disoina ho tsy mahay mampianatra rehefa misy olana ny mpianatra. Mety misy izany saingy tsy ny rehetra kosa anefa satria efa mahazo fiofanana isan-taona ireo mpampianatra rehetra amin’ny fomba fampitana fahalalana ka tokony samy handray andraikitrta na ny sekoly na ny mpampianatra na ny Ray aman-dReny amin’ny fanabeazana ny ankizy satria miainga amin’ny fifanampiana hatrany izany », hoy ity talen-tsekoly iray avy amin’ny sekoly tsy miankina iray eto an-drenivohitra.
Ankoatra ny fahalalana tsy miampita tsara noho ny antony samy manana ny azy dia olana sedrain’ny fampianarana eto Madagasikara ihany koa ny tsy fahampian-tsakafo sy ny fenitra takian’ny fampianarana mbola tsy voahaja tsara. Izany no ilaina vahaolana na dia efa ho ampiharina aza ilay fanavaozana vaovao ny lafiny fampianarana. Hatrany amin’ny fototra mihitsy no mila fanavaozana ahafahana manarina izany olana izany.
Miora Raharisolo
