ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Efa nanomboka ny fampianarana zaitra andiany voalohany

Nanomboka ny 06 may lasa teo ny fianarana zaitra maimaimpoana tao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Tsy vitsy ireo tonga nanohana ny antso tamin’izany.

« Tsara ny mahay zaitra ary ilaina. Manampy betsaka amin’ny fiainana andavanandro izany » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. « Tena mahafinaritra ny hetsika tahaka izao. Tena manampy betsaka anay tanora hanana asa tokoa ity fampianarana nomen’ny kaominina ity. Hirariana hitohy hatrany izany » hoy i Hasina, mponina ao Ambohimanambola.

Ilain’ny tanora tokoa ny fiofanana arak’asa toy ny zaitra. Eo anefa ny tsy fananana vola hanaovana izany. Fotoana tokoa ny fianarana maimaimpona toy izao hanararotana hianaran-javatra.  

Toky Randriamanalison

Laisser un commentaire