KITRA EROPA – LDC : Hanomboka anio ireo lalao mandroso ho an’ny ampahavalondalana amin’ny Ligue des champions na fiadiana izay ho tompondakan’i Eropa
KITRA EROPA – LDC : Hanomboka anio ireo lalao mandroso ho an’ny ampahavalondalana amin’ny Ligue des champions na fiadiana izay ho tompondakan’i Eropa isantarika. Lalao 4 anio ary lalao 4 rahampitso. Andrasan’ny maro anio ny fifandonan’ny Newcastle amin’ny FC Barcelone. Ho an’ny rahampitso kosa dia goavana ny fifampikatrohan’ny Real de Madrid sy Manchester City sy ny fifandonan’ny PSG, tompondaka farany amin’ny Chelsea FC.
Toy izao ireo fandaharandalao (ora eto Madagasikara)
Talata 10 martsa :
-20h45 : Galatasaray 🆚 Liverpool
-23h00 : Atalanta 🆚 Bayern Munchen
-23h00 : Atletico Madrid 🆚 Tottenham
-23h00 : Newcastle 🆚 Barcelona
Alarobia 11 martsa :
-20h45 : Leverkusen vs Arsenal
-23h00 : Real Madrid vs Manchester City
-23h00 : Bodo/Glimt vs Sporting Club
-23h00 : PSG vs Chelsea

