ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Mbola tsy ampy ny fandraisana andraikitra mahakasika ny fako

Miparitaka, ary tsy voahaja ny fahadiovana, indrindra ny eny anelakelan-tano ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Maro ireo fako hita mivangogo ivelan’ny toerana fanariam-pako sy tsy misy mpikarakara ka miparitaka manerana ny arabe ao an-toerana. Anisan’ny miteraka olana, indrindra fa ny fahatsetsenan’ny lakan-drano ny fiparitahanan’ny fako.

«Tsy misy ny fandaminana manokana mahakasika ny fanariam-pako, fa ny tena fahazarana aloha dia isan-kariva no manary fako sy rano maloto ny olona. Efa nisy ihany ny fandaminana momba ny fako teo aloha saingy tsy nitohy intsony izany” hoy I Tantely, mponina ao Ambohimanambola.

“Misy ny fikambanana mpiandraikitra ny fako eto an-toerana, izy ireo no mpikarakaraka sy manangona ny fako isan-tokatrano, ary manodina izany. Izy ireo no mifanaraka amin’ny mponina, mitety isan-tokatrano amin’ny fandraisana na tsia ny fakon’izy ireo” hoy ny tomponandraikitra misahana ny fahadiovana ao an-toerana.

Andraikitry ny tsirairay no manadio ny tandrify azy. Tsy tokony hiandry ny hafa amin’ny fanadiovana. Ilaina kosa anefa ny fanentanana avy amin’ny tomponandraikitraho fiaraha-mientana amin’ny fanaovana fanadiovana faobe, izay tokony hampandraisana anjara ny olom-pirenena tsirairay fa tsy havela hivangongo ny fako, izay sady manome endrika ratsy ny tanàna.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire