Kolontsaina : Handray ny fifaninanana « The Voice Africa » i Madagasikara
The Voice Africa, sehatra iray hahafahan’ireo mpana-talenta amin’ny hira ka mbola tsy fantatry ny olona maro maneho ny talentany. Amin’ity andiany ity dia afaka hitondra avo ny anaran’i Madagasikara indray izay handresy eto. Manao antso avo ireo mpanaraka azy ny orinasa Airtel madagasikara hisoratra anarana amin’ny hetsika izay ho karakarain’izy ireo.
« Tsapanay ny fahamaroan’ireo tanora, na ireo olondehibe sy ankizy manatalenta eto Madagasikara ka izany no nandresy lahatra anay hitondra ity lalao ity aty Madagasikara, lalao goavana izy ity sady vao voalohany raha ny eto Madagasikara. Fitrandrahana sy fampisehoana talenta vaovao ka tsy ho mena-mitaha amin’ireo firenena afrikanina maro i Madagasikara. Afaka ny handefa solontena 7 amin’izany i Madagasikara », hoy ny avy ao amin’ny Airtel Madagasikara.
« Atao ao anaty horonantsary tsy mihoatra ny 1minitra ianao mihira ary miditra ao amin’ny tranon-kala www.thevoice.africa , mameno ny taratasy fisoratana anarana ary mandefa ilay horonantsary. Izany dia manomboka ny 21 oktobra ary tsy hifarana raha tsy ny 10 novambra. Toy izay no hatao raha te hisoratra anarana », hoy hatrany ny fanazavana.
« Hitako fa betsaka ny mpanantalenta mbola mafina noho ny antony maro any anaty olona any. Ny sehatra toy itony anefa no hahafahany maneho ny fahaiza-manaony. Sady mba ho fialamboly ihany koa ho an’ny hafa », hoy i Andy, mpankafy mozika.
Marihina fa maimaim-poana ny fisoratana anarana ary misokatra ho an’ny olona rehetra 18 taona noho ny miakatra. Mila hananana kosa ny mailaka izay mandeha tsara sy laharana finday Airtel afaka antsoina. Handeha amin’ny fahitalavitra 14 aty Afrika ity lalao ity ka afaka hisitraka izany avokoa ny tsirairay.
Miora Raharisolo
