Soavinarivo : Nampiana ny efitrano fianarana
Notokanana ny efitrano fianarana miisa telo nataon’ny faritra Analamanga teny Soavinarivo, Commune Ambatolampy Tsimahafotsy, Distrikan’Ambohidratrimo.
Rehefa nandre tamin’ny Talen’ny EPP Soavinarivo ny amin’ny tsy fahampian’ny efitrano fianarana ao amin’ny sekoly ny avy amin’ny faritra Analamanga, avy hatrany dia nanampy efitrano vaovao miisa telo afaka handray sahady ny mpianatra amin’ity taom-pianarana vaovao ity. Fanampin’izany, nanolotra ihany koa izy ireo fitaovam-pianarana maro avy amin’ny Fitondram-panjakana.
« Dabilio, aron’akanjo, « kits scolaires », kapa sy ny sisa no atolotra ho an’ireo mpianatra ao Soavinarivo ka hisaorana ny Filoham-pirenena sy ny ministry ny Fanabeazam-pirenena tsy nanadino ireo mpianatra Malagasy » hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka.
« Tena mety izao ataon’ny Governora izao fa tsy toan’ny governora sasany izay tsy manasoa ny vahoaka eo amin’ny faritra iadidiany mihitsy fa manafana seza fotsiny. Asa fa tsy kabary hoy ny Filoha, tokony manaraka izay tarigetra izay avokoa raha mbola mpikambana ao amin’ny Fitondrana amin’izay mandroso vetivety Madagasikara » hoy ny fanehoan-kevitry ny tompon’andraikitra ao amin’ny kabinetra iray misahana ny fampandrosoana.
Hita misongadina hatrany ny asa fanamboarana fotodrafitrasa sy fizarana fitaovana ho an’ny mpianatra manerana ny Madagasikara. Azo lazaina fa tafiditra tsara ao anatin’ny vinan’ny filoha ny eo anivon’ny fampianarana sy fanabeazana.
Irariana ihany koa mba ahitana ireo ministera isan-tsokajiny sy ireo governora isam-paritra mba hanao mihoatra noho izao ho fanatsarana ny sehatra rehetra eto Madagasikara.
Tsangy Randriamampianina
