Tsidika

Fanandratana avo ny kolontsaina Malagasy

Mampiavaka sy manavaka ny firenena iray ny kolontsaina, sady kanto rahateo ka mitàna anjara toerana lehibe eo amin’ny mponina ao aminy. Mila asandratra avo noho izany izy io mba hanandratany avo ny firenena ihany koa. Ireo mpanankato no tena manana anjara toerana lehibe ao anatin’izany. Tsy latsa-danja ihany koa ny ministera tompon’andraikitra, ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, ka nikarakara fihaonana teo aminy sy ireo mpanakanto maro mba hisian’ny serasera bebe kokoa. Mpanakanto marobe no tonga nanohana ny antso, tsy ny mpisehatra amin’ny mozika ihany akory no sokajiana ho mpanakanto. Voafaritra ao avokoa ireo misehatra amin’ny taranja mifangaro toy ny mpandihy, ny mpanao slam, ny mpanao tantara an-tsehatra “théâtre”, ny mpanao sarimihetsika, ny mpanao hosodoko, ny mpaka sary, ny mpanao lamaody, ary ny mpanoratra. Teny amin’ny Asia & Africa Hotel Ivato no nanatanterahana izany izay sady fiarabana nahatratra ny taona no tafatafa eo amin’ny samy mpanakanto sy amin’ny Ministera mpiahy. Ireto farany izay nanome toky ny hanohana sy hanosika hatrany ireto mpanakanto ireto amin’izay sehatra tiany hivelarany. Fifanakalozana, fizarana ny ezaka efa vita teo amin’ny roa taona sy ny mbola hatao miaraka no anton’izao fihaonana izao. Fanambin’ny Minisitera ny haha-matihanina ny sehatrasan’ny kolontsaina rehetra mba ho afaka hivelona tanteraka sy hanana fiahiana ara-tsosialy avy amin’iny kanto izay asany iny ireo mpanakanto. 

Laisser un commentaire