Mila homena sehatra manokana ny taranja lomano.
Fanatanjahan-tena tsy resahina firy ny lomano. Maro anefa ny mpankafy azy, efa maro ihany koa ireo dingana efa notanterahan’izy ireo. Ny olana anefa, tsy mbola mahazo sehatra be loatra tahaka ireo taranja sasany ny lomano. Mila fampahafantarana manokana ity taranja ity mba hisongadinany eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Tahaka ny, misy ny filoha mpitarika entina hampilaminana ny eo anivon’ny fikambanana. Manao fifidianana izay ho filohan’ny ligin’analamanga ihany koa izy ireo. Voasafidy hitondra ny fampandrosoana amin’izany I Valisoaniaina Rasoanjanahary. Tao amin’ny fikambanan’ny mpilomano “Cosbany Ivato” no nisy azy. Marihina mantsy fa voasokajy ato anatin’ny faritra Analamanga avokoa ireo fikambanana misehatra ato anatin’ity taranja ity. Hita tokoa ny fitiavan’ity filoha ity ny taranja ka izany no antony nahavoafidy azy. Tanjona vaovao aperak’ity filoha vaovao ity ny hampivoarana indray ny tontolon’ny lomano eto amin’ny faritra Analamanga. Eo ihany koa ny fanohanana manokana ireo klioba mpisehatra eo amin’ny lomano. Ny asabotsy 06 martsa lasa teo no nanaovan’izy ireo fivoriam-be handinihana ny paik’ady vaovao hampandrosoana ny tontolon’ny lomano. Hantenaina araka izany ny fivoaran’ity taranja ity mba hiditra kokoa amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara.
Fanilo Rarivoarilala
