SocialTsidika

Zava-dehibe ny fanaovam-baksiny

Mbola maro ny olona tsy resy lahatra amin’ny fanaovam-bakisiny raha ny eto Madagasikara manokana. Mbola betsaka ny fanentanana amin’ny haino vaky jery sy eny amin’ny fiaraha-monina eny ataon’ny Ministera tompon’andraikitra amin’ny hanaovana vaksiny ny zaza. Tsy kolontsaina malagasy manko izy ity fa rivotra nitsoaka avy any ivelany vokatry ny fikarohan’ny manam-pahaizana. Ao anation’izany hetsika amin’ny fanentanana ny fanaovam-baksiny izany indrindra ity hetsika notanterahina ny alahady 07 Martsa ity. Noraisina ofisialy tao amin’ny CHU Tanambao Antsiranana ny Centre ami de la vaccination. Vokatry ny fiaraha-miasa akaiky eo amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana Fitia ary ny OMS Madagascar no nahazahoana izao ivon-toerana vaovao sakaizan’ny Vaksiny izao. Tonga nanatrika ny fandraisana ofisialy izany i Mialy Rajoelina, sy ny solontena maharitry ny OMS miasa sy monina eto Madagasikara, Professeur Charlotte Faty Ndyaie. Ny fahasalamana no voalohan-karena ary ny fahasalamana ihany koa no mitarika ny vahoaka hampandroso ny firenena. Ilaina tokoa ny vaksiny eto amintsika ary efa vita andrana maro isan-karazany izy ireny ka tsy misy tokony hatahorana amin’ny fanaovana azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire