ActualitésTsidika

Lalao Échec: Nibata ny amboara fanindroany indray i Rakotomaharo Fy Antenaina

Nibata ny tompon-dakan’ny « France Universitaire 2022 » tamin’ny lalao Échec indray i Rakotomaharo Fy Antenaina. Efa fanindroany no nibatany ny amboara ary nifanesy mihitsy ny fandresena. “Nahazo isa 9/9 tsy nisy hadisoana izy nandritra ny lalao. Tanora Malagasy fanta-daza iraisam-pirenena raha i Fy Antenaina Rakotomaharo. Mpikambana ao amin’ny klioban’ny Oniversiten’i Paris-Est Créteil ao amin’ny sokajy Seniors izy” hoy i Fenitra, mpakafy échec eto Madagasikara. Efa im-betsaka no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ny lalao iraisam-pirenena izy. Nandrombaka ny amboara indray tamin’izao lalao nokarakarain’ny federasiona frantsay misahana ny fanatanjahan-tena ao amin’ny Oniversite izao. Nisy 123 be izao ireo mpandray anjara tamin’izany. Reharehan’ny Malagasy tokoa ny fisiany.

Laisser un commentaire