Sosialy : Tontosa ny didimpoitra faobe andiany faharoa tao Ankadikely Ilafy
Zaza lahy maherin’ny 70 isa no vita hasoavana nandritra ny hetsika didimpoitra faobe andiany faharoa tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Hetsika efa fanao isan-taona ity, ho fanampiana ny mponina, indrindra eo amin’ny ara-tsosialy.
« Fiaraha-miasan’ny kaominina Ankadikely-Ilafy sy ny Polyclinique d’Ilafy no nahantanterahana izao hetsika izao izay fanao isan-taona. Nomena « biscuit » sy vatomamy ary kilalao ireo ankizy vao vita hasoavana teto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Tena efa sarotra ny fiainana amin’izao. Isaorana indrindra ny kaominina amin’ny fanohanana sy ny fanampiana tahaka izao » hoy i Mialy, renim-pianakaviana ao Ankadikely Ilafy.
Saika nahitana hetsika didimpoitra faobe tahaka izao avokoa nanerana ny kaominina eto Avaradrano. Mbola ao anatin’ny vanimpotoanan’ny hatsiaka rahateo isika amin’izao.
Nicole Rafalimananjara
