Angleterre : Inona moa ny « Magna Carta » ?
Ny « Magna Carta» adika amin’ny teny frantsay hoe « Grande Charte d’Angleterre » na « Grande Charte » dia manondro karazana sata napetrak’ireo olona ambony anglisy tamin’ny mpanjaka « Sans Terre » voalohany tamin’ny 15 jona 1215 taorian’ny ady fohy izay nifarana ny 17 mey tamin’ny alalan’ny fibodoana an’i Londres.
Tezitra noho ny fitakiana miaramila sy ara-bolan’ny mpanjaka ary ny tsy fahombiazana niverimberina tany France, indrindra tao Bouvines sy La Roche-aux-Moines ireo olona ambony ireo ka nametraka fitakiana. Anisan’izany ny famotsorana ireo takalon’aina notazonin’ny mpanjaka, ny fanajana ny lalàna sasantsasany manokana ho an’ny olona ambony, ny fanekena ny « franchises ecclésiastique », « bourgeois » ary ny fanaraha-maso ny politika ara-bola nataon’ny filankevi-dehibe.
