Anosy Avaratra: Mitohy hatrany ny fanamboarana ny lalana Lazaina-Isahafa
Mitohy hatrany ny fanamboaran-dalana ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra amin’izao fotoana izao. Efa miditra amin’ny dingana manaraka ny fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Lazaina sy Isahafa, araka ny voalaza.
«Ao anatin’ny ezaka fanamboaran-dalana ataon’ny kaominina dia miroso amin’ny famitana ny lakan-drano isika ankehitriny mialohan’ny hanaovana ny rarivato amin’ny lalana. Izany dia hakasitrahana hatrany ireo mpanohana sy ny mitondra fanampiana ho amin’ny tombotsoa hiombonana” hoy ny avy amin’ny kaominina.
“Efa ela no niandrasana ny fanamboaran-dalana izao. tena anisan’ny lalana mampijaly ny mponina izy ity, indrindra amin’ny fotoanan’ny fahavaratra sy ny mai-tany tahaka izao. Hisaorana ny kaominina amin’ny ezaka izay ataony ho an’ny fampandrosoana” hoy i Hery, mponina ao Anosy Avaratra.
Mandeha ambaratongany ny fampandrosoana ny kaominina. Miainga amin’ny fanamborana ireo foto-drafitr’asa izay tena hampiasain’ny mponina andavan’andro izany, tahaka izao fanamboaran-dalana izano. Ankoatra ity eto Lazaina ity dia mbola maro ireo lalana mila fanamboarana ao Anosy Avaratra.
Manitra R.
