SocialTatitra

Espagne : Hanatsahatra ny famerana ny fahatongavan’ireo olona avy ao Royaume-Uni

Hatsarahatra ny talata 30 martsa ny fameran’i Espagne ny fidiran’ireo olona avy ao Royaume-Uni mankao an-toerana. Efa hatramin’ny volana desambra 2020 no napetraka io lalàna famerana io ary izao vao tapa-kevitra ny hanatsahatra azy ny governemanta hoy ny mpitondra tenin’izy ireo. Mbola mitohy kosa ny famerana ny fidiran’ireo olona avy ao Afrique du Sud sy Bésil raha araka ny fanazavany. Antony nanekena an’i Royaume-Uni hifandray indray amin’i Espagne ny firoboroboan’ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny valanaretina coronavirus ao an-toerana, hoy i Maria Jesùs Montero avy ao amin’ny filankevitry ny minisitra ao Espagne. Isan’ny firenena lasibatry ny valanaretina indrindra i Royaume-Uni saingy hitany kosa ny fomba niharenany haingana tamin’izany. Fihetsika izay hideran’i Espagne azy ireo manokana. Hotohizana hatramin’ny 13 aprily ho avy izao kosa ny an’i Afrique du Sud sy i Brésil raha toa ka tokony hifarana ny 30 martsa ihany koa. Antony lehibe nandraisana io fanapahan-kevitra io ny havitsian’ny « variants » avy amin’ireo firenena roa ireo ao Espagne ka mampanano sarotra ny fitsaboana.

Laisser un commentaire