Mila omen-danja ny seham-pihariana trondro.
Seham-pihariana mbola azo hivelomana tsara, ary mbola malalaka ny tsena amin’ny fiompiana trondro.Anisan’ny seham-pihariana iray tena manana ny maha-izy azy io fiompiana io, ankoatran’ny maha asa mapidi-bola azy, hita fa fialam-boly koa ary mahafaka andro tokoa izy io. Mbola vitsy ihany anefa ny olona hita miroboka amin’io sehatra io nohon’ny habetsahan’ny masonkarena tsy maintsy tratrarina amin’ny fiompiana. Tsy maintsy manana sy mitady tanimbary na dobo aloha ny mpiompy iray vao afaka manatanteraka izany. Ankoatran’ny tanimbary, zava-dehibe ihany koa ny sakafo homena ny trondro mba ahafahany mivelona soamatsara, mandrapaha-tongan’ny fotoana hanjonoana azy. Ny fanadihadihana natao no nahitana fa mahazo hatrany amin’ny zana-trondro 70 000ny mpiompy iray amin’ny fotooam-piompiana iray. Olana sedrain’izy ireo anefa ny tsy fahampian-drano izay mahatonga ny fahafatesan’ny zana-trondro ao anatin’ny dobo. Vokatry izany, 15 000 monja no azo mandritran’ny fotom-piopiana. Fa olana faharoa sedrain’ny mpiompy ihany koa ny sakafo homena ny zana-trondro. Voakasik’izany ny fiompiana anaty dobo sy anaty fefy. Miankina amin’ny kalitaon’ny sakafo anefa no hahazoana vokatra tsara. Misy ny orinasa afaka mamokatra provandy azo homena ny trondro mba hahafahana mampiroborobo haingana ny seham-pihariana. Anisan’izany ny orinasa LFL,izay manohana ny mpiompy samihafa. Nisy ny fiaraha-miasa tamin’ny minisiteran’ny fiompiana ary ny jono, mba hanampiana ny mpiompy trondro. Hanome fahaiza-manao ara-teknika sy famatsiana akora, toy ny sakafom-biby izy ireo. Hantenainan’ny mpiompy amin’izao ihany koa ny fanenana ny vidin’ny sakafom-biby avy amin’ireto orinasa ireto, mba tsy hampitombo ny masonkarena. Asa azo hivelomana tsara ny fihompiana trondro raha toa ka hain’ny mpiompy no mikatsaka vahaolana amin’ny fikarakarana azy ireo.
Fanilo Rarivoarilala
