SocialTsidika

Mpandrefy tany : Tokony hisy ny fifandaminana eo amin’ny samy mpiasa.

Antsoina hoe mpandrefy tany ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fandrefesana tany sy famolavolana ny drafi-tany. Anjara asan’izy ireo ankoatran’ny fandrefesana ny mandrafitra ireo antontan-taratasy sy sarin-tany ary milaza ny anjara tanin’ny tsirairay. Izy ireo ihany no hany manana fahefana milaza fa tompon’ny tany ny olona iray amin’ny alalan’ny fametrahana ny fetran’ny taniny. Ilaina izy ireo rehefa misy ny fotoanan’ny fifampiraharahana ahafahana misoroka ny fifanolanana eo amin’ny mpizara tany. Raha ny eto Madagasikara manokana no jerena, mizara ho roa ny mpiasan’ny fandrefesan-tany. Misy amin’izy ireo no miankina amin’ny fanjakana, misy ihany koa ireo mpandrefy tany tsy miankina amin’ny fanjakana. Samy mitovy ihany anefa ny asa sahanin’izy ireo. Mbola vitsy ihany koa mantsy ny mpiasa raisin’ny fanjakana hanao izany ankehitriny. Nampitaraina ny avy amin’ny tsy miankina anefa ny lalàna izay navoaka mahakasika ny asan’izy ireo. Voalaza avy amin’izany lalàna izany mantsy fa tsy maintsy mandoha hetra izy ireo sy ny mpiasa ao aminy. Nilaza ireto avy amin’ny mpandrefy tany tsy miankina ireto asa mitovy, ary samy mandray mpanjifa ny avy amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina kanefa izy ireo hampandohavina vola be. Tombotsoa maro no efa sitrahan’ny mpiasam-panjakana ankehitriny, anisan’izany ny karama izay efa raisiny isam-bolana, ireo karazana onitra maro isan-karazany, ary ny vola 0,2% raisin’izy ireo amin’ny fotoana fivarotan-any, raha ny voalazan’izy ireo. Mangataka ny hanamboarana ny lalàna ireto mpandrefy tany avy amin’ny sehatra tsy miankina ireto. Ilaina ny fifandaminana mba hisorohana ny fifanoherana misy eo amin’izy ireo.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire