Mandrisika ny mpanankanto hanohy amin’ny asany ny fankasitrahana azy.
Manana ny lanjany lehibe ny tontolon’ny kanto. Maro amin’ireo mpanankanto no miezaka maneho zavatra tsara ho an’ny mpankafy azy. Tsy vitsy ihany koa ireo ezaka hataon’ny fikambanana maro samihafa ho fankasitrahana ny mpanakanto. Ilain’izy ireo mantsy izany mba handrisika azy ireo amin’ny fampivoarana ny tontolon’ny kanto, ahatonga ny mpankafy ho tia hatrany ihany koa ny sangan’asany. Iray amin’ireny ny tarika mahaleo, izay efa taona ela no nisiany. Hatramin’izay nisiany anefa, tsy mbola tapitra ny mpankafy azy ireo, ary misy hatrany izany isan-taona. Nandalo fotoam-pahasarotana anefa io tarika io ny taona 2019, mpikambana roa tao amin’ny tarika mantsy no lavo. Anisan’ny tranga nampalahelo ny mpankafy ireny fotoana ireny. Nisafidy ny tsy hiakatra an-tsehatra sy hiato kely mihitsy ireo mpikambana ambiny vokatry fahalasan’ itompokolahy isany Dadah Rabel sy Fafah ny volana octobra sy novambra 2019. Anisan’ny vanim-potoana mafy indrindra teo amin’ny fiainan’ireto tarika ireto ireo fahafatesana ireo ka antony niatoan’ny tarika mihitsy nandritran’izay fotoana elaela izay. Ankehitriny, notoloran’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina mariboninahi-pirenena ambony indrindra izy ireo. Anton’izany ny filazana fa tarika mendrika ny tarika mahaleo. Anisan’ny nanamarika ny tantaran’I Madagasikara ireto tarika ireto ary zan y’ireo mpanakanto zandriny fanovozana aingam-panahy. Nandritra izany no nilazan’ny tarika fa afa-tsaona izy ireo ary efa miomana amin’ny fiverenana an-tsehatra indray. Fitaratra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny fahatezan’ny tarika an-taonany maro na teo zan y sedra efa nolalovan’izy ireo.
Fanilo Rarivoarilala
