SocialTsidika

Tokony ho voasazy avokoa izay rehetra manao kolikoly.

Antsoina hoe kolikoly na tsolotra ny fifanarahana ratsy miseho eo amin’ny ankolafiny anankiroa, amin’ny fanomezana na vola tsy ara-dalàna ho tambin’ny asa na fanomezana tombondahiny anakiray tsy manara-dalàna ihany koa. Azo sokajiana roa ny kolikoly, misy ny madinika, miseho amin’ny sarambabem-bahoaka, izay vola kely ihany raha oharina amin’ny faharoa; Izay azo lazaina hoe vaventy, mety hisy tambajotraany mihitsy, miseho eo amin’ny manam-pahefana na mpitondra fanjakana ambony, ary volabe an-tapitrisany maro no mihodina amin’izany. Ny fanadihadihan’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny kolikoly no manambara fa seham-panjakana maro eto madagasikara no mbola ahitana endrika kolikoly. Anisan’izany ny eny amin’ny fitsarana, ny eny amin’ny fanan-tany sy ny tontolon’ny fampianarana. Tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny filohan’ny filohampirenena amperin’asa ankehitriny ny famerenana ny hasin’ny fitsarna sy ny fitokisan’ny vahoaka ao aminy. Tsindrina manokana ny fitsarana satria, tsikaritry ny mpikarakara taratasy maro fa ahitana trangana kolikoly matetika ny eny amin’io sehatra io. Niverina nanamafy izany ihany koa ny filoham-pirenena nandritran’ny fotoam-pivoriana niarahana tamin’ireo filan-kevim-pitananana ambony eo anivon’ny mpitsara. Tokony ho faizina avy hatrany ary tokony ho sahy mitoroka ny mpitsara manao kolikoly ny rehetra hoy ny filoham-pirenena. Manan-danja tokoa mantsy ny tontolon’ny fitsarana, ary mipetraka any aminy ny fitokisan’ny vahoaka.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire