Rehefa amin’ny fotoana inona no ilaina ny fampihavanam-pirenena ?
Mandray fitenena ny eo anivon’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena rehefa misy ny raharaha politika sy ny maro samihafa mamaivay eto amin’ny firenena. Ankoatra izany, misy ihany koa ny fotoana hanehoan’izy ireo ny heviny rehefa misy ny fivoriana hataon’izy ireo eny amin’ny foibeny. Andraikitry ny komitin’ny fampihavanana ny mikaroka ny lalana rehetra hampahomby izany. Miara mikaon-doha amin’ny fikatsahana ny fomba rehetra hanatanterahana izany ny mpikambana maromaro ao aminy. Izay efa miasa manerana ny faritra maromaro eto Madagasikara. Ny lalàna kosa anefa no mamaritra fa tsy an’ny CFM irery ny raharaha mahakasika izany fa misy ny adidy tokony horaisin’ny fanjakana. Ansian’ny andraikitry fitondram-panjakana ny manampy ny CFM amin’ny fanatanterahana ny vinan’asa momban’ny fampihavanana. Tsikaritra anefa ankehitriny fa toa samy miandany amin’ny antokony avy ny tsirairay n any eo amin’ny fitondram-panjakana na ny eo amin’ny mpanohitra. Misy milaza ihany koa fa tsy ilaina loatra eto amin’ny firenena ny fanatanterahana izany. Na eo aza anefa izany rehetra izany, nataon’ny CFM laharam-pahamehana hatrany ny fanohizana sy fanamafisana ny fananganana sehatra ifampiresahana. Nandritran’ny fivoriana ara-potoana vao tsy ela no nilazany fa tsy zakan’ny vahoaka Malagasy intsony ny korontana sy krizy vokatry ny tsy fifanarahana sy ny tsy fifandaminana. Ventin-kevitra nasongadin’izy ireo ny tokony hanajana ny fifandimbiasan-toerana ara- demokratika, hifampidinihana an-kitsimpo ao anatin’ny fanajana ny soatoavina Malagasy sy ny tany tan-dalàna izay tokony hatao filamatra iraisana.
Fanilo Rarivoarilala
