SocialTsidika

Mihazakazaka ny taham-pahafatesan’ny olona tratran’ny coronavirus.

Mbola tsy afa-bela amin’ny ady amin’ny coronavirus ankehitriny ny firenena maro. Manerantany mihitsy ankehitriny no tsikaritra fa mbola sahirana amin’ny ady amin’ity valan’aretina ity. Herintaona katroka izay isika teto Madagasikara no niady mafy tamin’izany. Nanamarika ny taona 2020 ny fihibohana sy ny fahasahiranana. Mbola vanim-potoana voalohany niparitahan’ny valan’aretina anefa, nahitana fiantraikany teo amin’ny tsirairay tamin’ny sehatra rehetra izany. Mbola tsy afa-bela toy ireo firenena maro samihafa ihany anefa isika ankehitriny, porofon’izany ny fidirana ao anatin’ny andiany faharoa indray amin’ny valan’aretina. Manampy izany ihany koa ny fahitana ireo trangam-pisehoana vaovao tafiditra teto amitsika. Mahatratra hatrany amin’ny 375 ankehitriny ny lavon’ity aretina ity nandritran’ny fotoana nisiany teto amitsika. Olona 23 236 kosa no efa nitondra ny tsimokaretina vaovao. Tsy mifidy hasiana ihany koa ity aretina ity fa efa maro ireo olona lavony; anisan’izany ny mpanakanto toa an’I Sammy Rabenirainy, ny mpanao politika sy mpanao gazety, toa an’I Gilbert Raharizatovo. Hita sy re any amin’ireo tambajotran-tserasera Facebook sy ny haino amanjery samihafa ny fahafatesan’ny olona tsy ampoizina maro. Ny sehatra rehetra mihitsy ankehitriny no hita fa hidiran’ity valan’aretina. Fa anisan’ny mizaka ny mafy amin’ity aretina ity ihany koa ny mpiasan’ny fahasalamana, izay mifanerasera tanteraka amin’ireo marary. Maro ireo mpitsabo sy mpiasan’ny fahasalamana no tsy salama intsony ankehitriny, raha mamoy ny aina mihitsy ny sasany amin’izy ireny. Anisan’ny nahitana fahafatesan’ny mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny HJRA ny herinandro lasa teo, ary ankehitriny misy ihany koa ny mpampivelona lavo ao amin’ny hopitalin’ny Toamasina. Tsy misy afatsy ny fanamafisana ny fitandremana ihany anefa no tokony hataon’ny olom-pirenena tsirairay manoloana izao tranga tsy mitsaha-mitombo sy ahitana taham-pahafatesana isan’andro izao.

Laisser un commentaire