Tsarahonenana Masindray : Mila ampitomboina amin’ny fifandraisana ny zava-misy eo am-pelatanana
Fokontany iray mandrafitra ny Kaominina Masindray i Tsarahonenana izay manana mponina matanjaka sy afaka miasa tsara satria tanora avokoa ny 71,05% ny mponina ao aminy. Ny fambolena no tena foto-piveloman’ny mponina ao kanefa fokontany izay tena mijaly rano tokoa satrai lalina dia lalina vao mety mahita rano amin’ny lava-drano.
Olana manaraka ihany koa ny tsy fahalafosana ny vokatra raha toa ka mandeha amin’ny kaominina hafa vao mahalafo ny legioma sy ny anana. « Miakatra any Ambohimangakely na Anjeva no mivarotra ny entana na alefa any Toamasina izay alain’ny mpanangom-bokatra eto, izany anefa tsy raha ny vidiny tokony ho izy akory fa mora tena mora, misy kosa ireo mikafiry miakatra any an-tanàn-dehibe mivarotra ny vokatra » hoy ny sefom-pokontany.
Azo atao tsara ny manitatra izany sehatra misy izany izay tsy voatery mila vola fa eo ihany koa ny fananganana fifandraisana. Raha ny tatitra nataon’ny « Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Genie Rural » dia mbola vitsy ny olona manana finday any an-toerana. Ny finday anefa no isan’ny fitaovana tsara hananganana ny fifandraisana noho izy mampifandray ny mifanalavitra ka na olona any Toamasina aza dia afaka mivandray mivantana amin’ny alalan’ny finday.
Vitsy ihany koa ny olona manana fahitalavitra izay loharano iray ahitana vaovao ho entina hampandrosoana ny fihariana ary eo ihany koa ny onjam-peo. Tsy ampy ny fisitrahana ny ita noho izany hany ka na tokony handroso aza dia tsy afaka satria tsy misy ny fifandraisana amin’ny hafa noho izany tsy misy ny zava-baovao fa ny eo ihany no eo.
Ny fananganana fifandraisana noho izany dia isan’ny vahaolana iray hanitarana ny zava-misy eo am-pelatanana.
Nicole Rafalimananjara
