ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Renim-pianakaviana nitrotro zaza, maty tsy tra-drano

Nampalahelo tokoa ny tranga niseho teny Ambohimahitsy Ambohimangakely ny harivan’ny 31 jolay 2022. Vehivavy iray nitrotro zaza no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ary maty tsy tra-drano ilay vehivavy. Nentina namonjy fitsaboana sahaza azy kosa ilay zanany.

« Tapaka hisatra ilay fiarabe mpanary fako. Nifatratra tamin’izy mianaka kely izany. Ilay mpamily avy eo tsy hita izay nalehany » hoy i Felicien, mponina eny an-toerana nahita maso ny loza. « Mila mitandrina hatrany isika ami’nizao fa ny loza tsy mampiomana izany. Tsara ihany koa raha asiana fanavaozana hatrany ireo fiara mpitatitra fako ireo » hoy i Rova, mponina ao Ambohimangakely.

Tsara handraisana fepetra tokoa ireo fiara mpitatitra fako ireo. Mila mitandrina mandrakariva isika eny an-dalana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire