ActualitésTatitra

Etats-Unis : Tovovavy 16 taona namono olona tao Pennsylvanie

Tovovavy iray, Joshua Cooper, 16 taona no nitifitra tamin’ny basy ary nahafaty tovovavy iray 13 taona tao an-tranony. Ny faran’ny herinandro teo no niseho ny tranga tao Bensalem ao Pennsylvanie. Taorian’izay dia nifandray tamin’ny namany iray tamin’ny tamba-jotra Instagram io tovovavy io ary nilaza taminy fa namono olona.

Nandefa horonantsary nahitana ny tongotr’ilay niharan-doza tany amin’io namany io i Joshua Cooper ary nangataka taminy mba hanampy azy hanafina ny razana. Taorian’izay dia niantso ny reniny ilay tovovavy 16 taona ary io reniny io no niantso ny polisy. Rehefa tonga tao an-toerana ireto farany dia hita tao anaty toerana fandroana ny fatin’ilay tovovavy 13 taona.

Tsy mbola fantatra mazava ny anton’io famonoana olona io Efa voasambotra kosa i Joshua Cooper ary notanana am-ponja vonjimaika ho an’ny zaza tsy ampy taona.

Laisser un commentaire