ActualitésTatitra

France : Nangataka ny fivohan’ny mosque ao Pantin i Gerald Darmanin.

Nangataka ny hivohan’ny mosquée ao Pantin (Sein-Saint-Denis) indray i Gerald Darmanin, minisitry ny atitany. Niala tamin’ny toerany vao tsy ela izay ny mpitantana io mosquée io, M’hammed Henniche. Manentana ny préfet ao an-toerana arak’izany Andriamatoa Darmanin mba hieverana ny amohana indray io toeram-pivavahana ao an-toerana io. Tokony hieritreritra ny hanome lanja ny hevitr’ireo ekipa vonona hitantana vonjy maika ny mosquée ao Pantin ny Préfet. Tao amin’ny tambazotra Twitter any no nanehoan’ity minisitry ny atitany ity ny heviny manoloana ny tokony hanokafana indray io toerana io. Raha tsiahivina, i Darmanin ihany no nangataka ny hanakatonana ny mosquée ao Pantin mandritra ny enim-bolana taorian’ny famonoana an’i Samuel Paty tao amin’io toerana io. Izy ihany koa no nangataka ny fametraham-pialan’ny mpitantana teo aloha. Mbola tsy nisy ny fanapahan-kevitra mazava noraisina fa mbola mijanona ho fangatahana ihany ity natao ity.

Laisser un commentaire