Islande : Firenena ekolojika indrindra
Mihatafiditra ao anatin’ny fototry ny ahiahy ny ekolojia. Firenena maromaro no efa miezaka mitandro ny fihetsiny hiarovana ny tontolo iainana.Tamin’ireo firenena 76 nalahatra ho maitso indrindra ka i Islande no laharana voalohany amin’izany. Ny fivoarana sy ny fanoloran-tena amin’ny fananganana hoavy « sobre en carbone » no nandaharana ireo firenena ireo. Norefesina ny tahan’ny fizotry ny toekaren’izy ireo miankina amin’ny angovo madio, ny indostria, ny fambolena ary ny fiaraha-monina mampiasa vola amin’ny angovo azo havaozina ary famatsiam-bola maitso.Nahazo naoty 6.45/10 i Islande manoloana ireo fepetra ireo. Manaraka azy i Danemark (6.44) sy i Norvège (6.2). Marihina kosa fa ny firenena 6 voalohany ao amin’io lisitra io dia firenen’i Europe avokoa. Anisany mampatanjaka ny ekolojia an’i Islande kosa ny fahaizana nampiasa ny angovo maitso tamin’ny alalan’ny « hydroélectricité » sy ny « géothermie ».
