Antananarivo Renivohitra : Niakatra avokoa ny rano
02 Martsa, 10h00. Tapitra niakatra avokoa ny rano tamin’ny toerana maro omaly noho ny rotsak’orana. Anisan’ireo tena nahita fiakarana teny amin’iny faritr’i Anosy iny, Mahamasina, Behoririka, Besarety, Andranonahoatra sy ny maro hafa. Niverina niasa nitatitr’olona indray ireo sarety sy bisikileta noho ny tsy nahitan’ireo olona ny hasiana ny tongony intsony.
