Dépêches

Toliary : Mivoaka ny lobolobo misotro rano ny sokatra rehefa mirotsaka izany 

02 Martsa, 11h00. Nahitana rotsak’orana tany amin’ny faritra Androy tao anaty iray volana.Nisy fihenana ihany koa ny mari-pana raha toa ka tafiakatra 38 ka hatramin’ny 40 degré izany ny volana janoary 2022 lasa teo. Mankasitraka io fiovana io nefa io mponina, hatramin’ireo biby.

Mivoaka ny lobolobo mamonjy ireo petsapetsa iangonan’ny rano mba ahafahany misotro izany, ireo sokatra tao Betanty sy Lavanono faritra Androy Toliary tamin’ity herinandro ity. Marihina fa misitrika anaty lobolobo izy ireo noho ny hafanana diso tafahoatra ao amin’ity faritra ity.

Laisser un commentaire