Dépêches

BNGRC : Nitondrana fanampiana ireo fianakaviana niharan’ny hain-trano teo Anosizato

02 Martsa, 11h30. Nitrangana hain-trano tao amin’ny Fokontany Anosizato Atsinanana ny Alahady 27 febroary hariva lasa teo. Vatoharan-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro (panneau solaire) no nirefotra tamina trano hazo ambony rihana ka niteraka ny loza ary nihitatra tamin’ny trano 46.

Tokantrano 63 izay misy olona 217 noho izany no tsy manan-kialofana.

Nifanampy sy nifanolo-tanana ny BNGRC sy ny polisim-pirenena sy ireo CPC hanampiana ireo olona ireo. Trano lay miisa 2 no napetraka handraisana ireo traboina ny alahady alina ary tafatsangana tao amin’ny Parking Annexe Multisports Anosizato ny Alatsinainy teo ho fanampin’ny toerana handraisana ireo tra-boina ankoatra ny biraom-pokontany ho an’ireo izay tsy afaka mamonjy fianakaviana na misy manodidina afaka mampiantrano.

Nomena fanampiana ihany kosa ireo olona ireo, vary, voamaina, savony, bodofotsy, koveta sy seau, zinga aruy fitahirizan-drano no nomena azy ireo tamin’izany.

Laisser un commentaire